Milamina ary efa voapetrapetraka ny fiatrehan’ny Leader Fanilo ny fifidianana senatera hotontosaina ny talata 29 desambra ho avy izao, araka ny fanambarana nataon’ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny antoko miaraka amin’ny PAN
Rakotomamonjy Jean Max fa miandry ny fotoana sisa. Noho ny hoenti-manana, hoy izy ireo, dia Antsiranana sy Fianarantsoa ihany no nandrotsahan’ity antoko ity kandidà hofidiana senatera fa nilamina kosa ny fanolorana kandidà tamin’izany. Nambaran-dry zareo koa fa matanjaka ny olona mpifidy Leader Fanilo amin’ireo toerana ireo (ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna) ka ho azo antoka ny toerana 4 na 5 ho azon-dry zareo amin’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.