Laza Razafiarison

« Tsy azo ekena ny fandanindaniam-poana ataon’ny mpitondra »


  • Talata 17 Desambra 2024

Feno hipoka ny hotely ao Andasibe, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.

Tonga hamboly hazo, hono, ny mpitondra fanjakana, hoy izy. 900.000 Ariary ny ofan'ny efitrano iray nefa feno avokoa ny efitra miisa 10 ao amin'ny toerana iray, 300.000 Ariary kosa miisa 29 nefa feno avokoa. Mbola hotely iray no resaka eto fa marobe izy ao no feno. Ankoatr'ireo ny sakafo. Tsy resahina eto ny «carburant» na solik'ireo V8 tonga any an-toerana. Miliara maro no lany fa hoe hamboly hazo. Ilay nambolena teny Imerintsiatosika tamin'ny taona lasa ve nisy naniry? Nandaniana miliara koa io. Raha mijery ny «site de reboisement» toeram-pambolen-kazon’ny antenimierandoholona ianao amin'iny lalam-pirenena faha 4 iny dia tsy mahita hazo maniry ao nefa efa ho «demi-siècle», izany hoe efa ho 50 taona, namboly tao foana ary miliara isan-taona. Tena mieritreritra hamboly hazo ve ny mpitondra malagasy? Raha io vola lany io no nomena ny gasy ka tena nambolena hazo efa ela no rakotra ala i Madagasikara. Zanakazo miisa 1000, raha be indrindra, no ho voavoly ao Andekaleka nefa miliara no lany. Raha mitantara izany eto dia lazain'ny gasy fa mialona izay mba azon'ny olona, hono, izahay fa izay «avantage» na tombony kely io ve dia maninona? Mikarama 100 volana eo ny mpampianatra FRAM aty aminay vao mahavita manofa efitrano in-dray alina ao Andasibe, hoy hatrany ny tenany nanakiana mafy ny fandanindaniam-poanan’ny fitondrana ankehitriny.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT