Laza Razafiarison

«Tena tsy ho ela dia hivoaka ny ala»


  • Talata 26 Martsa 2024

Tena tsy ho ela dia hivoaka ny ala fa mahereza kamarady,

hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison, sady nampiseho ny sariny any anaty ala tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly. Mpirahalahy mianala, hoy izy. Averiko fa tsy voasakana izany ny lalantsika hanova rafitra. Mahereza, mijoroa fa handresy isika, hoy hatrany ny tenany. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe ny kabary niezinezina ny sabotsy teo nataon’ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, teny Tsimbazaza ve no nahatonga ity mpanao politika ity nilaza izany sa antony hafa? Ity filohana antoko ity izay mivoy hatrany fa mirefarefa amin’izao fotoana izao no politika taratra eto Madagasikara ary matetika nilaza ihany koa izy fa tsy resaka politika avo lenta amin’ilay antsoina mahazatra hoe jeopolitika na «géopolitique» intsony izao no mifehy izao tontolo izao fa efa ny antsoina hoe ekzopolitika na «exopolitique», izay hifandraisan’ny firenen-dehibe sasany toa an’i Etazonia mihitsy amin’ireo fisiana hafa ivelan’ny tany na any amin’ireo planeta hafa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

Hijery ny tohiny
FTT