Laza Razafiarison

“Tena lavitra ny ezaka mila hatao!”


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Namonjy tsena aty anaty ala aty aho mba hanao “sondage” na fitsapan-kevitra, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR,

Laza Razafiarison. Gaga sady menatra ireo mpiasam-panjakana voabaiko hanao propagandy fa tsy nanam-po hifanena tamiko, hoy izy. Hoy ilay lehibeny hoe baiko ny anay Mr Laza. Valin’ny “sondage”, 90%n’ny entana amidy dia tsy novokarina teo an-toerana. Ny vokatra avy ao dia paraky, toaka gasy, voamanga, mangahazo. Ny legioma avy any amin’ny tanan-dehibe daholo. Ny “frippe” no betsaka indrindra. Ny vokatry ny tany zara raha misy. Ny “film” amin’ny CD no be mpitangorona. Ny lasopy sy “composé” no be mpihinana. Ny INSTAT moa nilaza hoe 33% no “sans instruction” na tsy manam-pahalalana ary 52% nandalo “Primaire” na ambaratonga fototra fa izaho nahatsikatitra fa mihoatra ny 50% no “sans instruction” fa nampiresaka olona maro aho. Nividy vary koa aho fa tsy mahay manisa vola ilay mpivady nividianako azy. Tena lavitra zareo ny ezaka mila hatao ah! Tena lavitra, hoy hatrany i Laza Razafiarison.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT