Laza Razafiarison

«Mbola hahatakatra ilay fanovan-drafitra ireo nikasa hamono ahy»


  • Talata 03 Jona 2025

Ny fankahalana tsy fotokevitra fa aretina, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR, Laza Razafiarison.

Rehefa maneho hevitra politika dia mipetraka amin'ny toeran'ny mpitondra koa fa tsy rehefa eo vao miova fiteny satria tsy niomana, hoy izy. Tsy mora ny hitondra an'i Madagasikara fa raha tsy nisy ny mpikambana miteny hoe tohizo dia mety efa mba reraka ihany fa isaorana azy ireo manohana sy mampahery. Ianao efa miasa saina mafy, mandany vola, mandany fotoana, mbola misy manompa, misy mikendry hanisy ratsy anao mihitsy. Rehefa tsy mitovy amin'ny hevitry ny sasany ny hevitrao dia lazainy fa saribakolin'ny hafa indray ianao, dia resaka tsy misy fotony no entina hanoherana anao nefa mba marary koa ianao mijery ireo fanaratsiana isan'andro. Ny sasany mampirisika anao hiady na hankahala olona sy ny tahaka izany. Ianao anefa tsy mandray karama na Ariary aza fa dia mahavita miampanga anao fotsiny izao ny hafa. Raha mba misy mpikambana mba miezaka manampy ny RCR dia mahita atsanga tsy aman'orana indray ny sasany hoe nahazo vola tetsy sy teroa. Tsy politika izany fa mba diniho ihany ny hoavin'ity firenena ity! Tsy mahay afa-tsy ny miady sy mifandratra ve ny malagasy? Tena haratra tokoa isika raha izao! Hampiray hina ny malagasy no ahatongavako eo amin'ny fitondràna fa raha tsy hisy izany dia tsy ho tonga eo aho. Izaho mbola tsy nangalatra na Ariary aza, tsy mbola nihinana volam-bahoaka, tsy mbola namitaka fa rehefa tsy mety aminareo fotsiny ilay lalantsaina dia ilay lalantsaina toherina fa aza ny fitiavanareo ady no anoheranareo ny marina. Tsy namaly faty aho teto fa fantatro fa mbola ahatakatra ilay fanovan-drafitra ireo nikasa hamono ahy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT