Laza Razafiarison

«Efa maty tanteraka ny rafitra eto Madagasikara»


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

ny volana may izao noho ny rafitra efa maty, hoy ny filohan’ny antoko politika RCR-Tolona, Laza Razafiarison. Ny fanovana rafitra miainga any amin’ny fotony ihany no hitondra fitoniana sy fampandrosoana eto amin’ny firenena, hoy izy. Miakazakazaka hiatrika fifidianana avokoa ireo mpanao politika eto Madagasikara saingy tsy tokony any no maha maika. Efa maty tanteraka ny rafitra eto Madagasikara. Isan’ny fotokevitra hijoroan’ny antoko RCR izany ka mbola hijoroany hatrany ny fanovana rafitra miainga any ifotony. Tsy hitondra fanovana ny fanatanterahana ny fifidianana solombavambahoka ny 29 may 2024 hoavy izao. Raha ny rafitra parlemantera manokana dia mbola misy ny tsindry any ambadika izay hita taratra tamin’ny nahazo ny filohan’ireo andrim-panjakana miisa 2 teto Madagasikara farany teo. Tsy mipetraka araka ny tokony ho izy ny andraikitr’ireo solombavambahoka malagasy izay lasa tsy mpanara-maso ny fahefana mpanatanteraka ary tsy mahavita tena manolotra lalàna hisy fiatraikany amin’ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT