Laurent Ramaroson

« Tsy aleo ve alamina daholo mihitsy aloha ny zava-drehetra »


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Efa rediredy ny mieritreritra fa hahavita fifidianana amin’izao toe-java-misy izao isika hoy i Laurent Ramaroson ,

mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko MMM nandritra ny fandraharana angaredona. Efa tena tonga eo amin’ny faratampon’ny fandikan-dalàna ny eto Madagasikara ka sao dia tonga ny fotoana handaminana tanteraka , ny zava-misy eto hoy ity mpanao politika ity. Raha raisina amina hoe trano iray i Madagasikara, hoy i Laurent Ramaroson dia ilay vato fototra sy marin-trano mihitsy no tsy izy intsony eto fa ny lakozia no atao efitrano fandriana. Ny hoe hiroso amin’ny fifidianana efa tsy mety intsony , efa voahitsakitsaka ny lalampanorenana natao ho fandaminana ny fiarahamonina, ny HCC mpiambina azy efa tsy azo itokisana intsony, ny governemantan’i Ntsay Christian misandoka fahefana ka inona no atao ? Aleo mifanandamina ,hoy izy dia jerena mihitsy aloha inona no mety amintsika ary inona no hatao eto .
FAHAIZANA POLITIKA
Ho an’ireo manakiana ny zavatra ataon’ny Firaisankina’ny kandida kosa ny amin’ny hoe tsy mahatoky zotram-pifidianana kanefa nahoana no nanao kandida sy nanoratra narana ihany dia tsotra no navalin’i Laurent Ramaroson : izany no atao hoe politika ary tena fahaizana politika izany. Raha tsy kandida izao i Andry Raobelina tsy afaka nametraka taratasy teny amin’ny HCC nangataka ny fampihemorana ny fifidianana noho ny ratra nahazo azy, zo omen’ny lalampanorenana ireo kandida Filoha izany araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 47. Fahaizana politika izany sao tsy takatry ny saintsika ,hoy izy.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT