Latsa-bato rahampitso

«15 minitra omenao ny firenena no mety hanova ny faritra misy anao »


  • Talata 28 Mey 2024

Mandrafitra na fitoriana « requête » momba ny fandikan-dalàna amin’ny zotram-pifidianana alefa eny amin’ny HCC

amin’izao fotoana ny ekipan’ny mpisolo vava ny kolekitifa an’ny Malagasy amin’izao fotoana izao, ary efa niresaka tamin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa. Lalana tsy maintsy izorana izany, fomba fiasa hatraiza hatraiza maneran-tany, raha ny nambaran’ny Filohan’ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana) Atoa Tahina Razafinjoelina. Eo, hoy izy, no tena maha zava-dehibe ilay hoe aza kivy. Nahitsy ny tenany naneho, fa raha mpitondra nahavita asa tsara tsy mandany andro manao propagandy be. Adidinay ny mpitarika ao anatin’ny kolekitifa no mampiseho hoe : tsy kivy sy ny làlana tokony hizorana. Anisan’izany ny hoe : ahoana ity Fanjakana manao propagandy ity ? Misy paikady io fa andao aloha hifanentana hoe : mila mifidy fa tsy manary toky na kamokamo izany. Mifidiana fa andro kely fahefakadiny amin’ny fiaiananao no angatahan’ny Firenena aminao. Mila solombavambahoaka miady sy manery ho an’ny tombotsoam-bahoaka fa tsy hiady ho an’ny tenany, hiady fiara 4x4, ka any no fanovana, ary tsy lavitra, rahafakampitso alarobia. Fahefakadiny avy aminao no mety hanova ny faritra misy anao, hoy ity Lehiben’Antoko ity, izay nanamafy fa mila mandray andraikitra amin’ny fifidianana ny rehetra.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT