Politique

Lasa saina ny mpitia fanatanjahantena Afaka tena hiahy ny spaoro ve ny minisitra vaovao?


  • Talata 21 Febroary 2023

Maha lasa saina ny mpitia fanatanjahantena sahady ny fipetrahan’ny mpanao politika, André Haja Resampa, eo amin’ny toeran’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena vaovao izay nisolo ny teo alohany, Tinoka Roberto.

Ahoana koa, hoy ny fanontanian’ireo mpanaraka sy mpankafy fanatanjahantena, ity minisitra ity? Rehefa mijery ny lalana nodiavin’ity minisitra vaovao ity rahateo dia tsy ahitana taratra izay resaka fanatanjahantena izay mihitsy na dia kely aza. Mampametra-panontaniana toy izany koa ny marim-pahaizany? Efa sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika nandritry ny tetezamita hatramin’ny volana martsa 2009. Efa filohan’ny filankevim-pitantanana teo anivon’ny orinasam-panjakana Jiro sy rano malagasy na JIRAMA hatramin’ny taona 2010. Zanak’I Resampa André, mpanao politika mpiara-miasa tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Philbert Tsiranana hatramin’ny taona 1952. Raha ny mombamomba na CV voaray teo anivon’ny vondrona politika nisy azy tamin’ny fotoan’androny na MAPAR dia miompana amin’ny fitantanana raharaham-panjakana, politika mikasika ny sosialy, ny fitantanana sy fampandrosoana isan-tsehatra, ny siansa momba ny lalana sy politika ary fitantanana voarindra na “management organisationnel” ny fahaizan’ity mpanao politika ity. Mipetraka noho izany ny fanontaniana. Inona no antony nanendrena azy ho ao amin’ny departemanta misahana ny fanatanjahantena? Sa ho fizarana mofomamy fotsiny tsotra izao? Miandry fanazavana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT