Politique

Lasa any ivelany koa i Jean Max Mangina i Tsimbazaza


  • Zoma 04 Desambra 2015

Lasa any ivelany koa ny PAN na filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy , nitarika ny delegasion’ny Solombavambahoaka ahitana depiote miisa 15 hanatrika ny fivoriana an-tampony Cop 21 any Frantsa izay tsy hifarana raha tsy ny zoma 11 desambra ho avy izao. Mangina, araka izany, ny eny amin’ny Lapam-panjakana eny Tsimbazaza eny.

 

 Ankoatra ity delegasiona voalaza teo ity dia mbola misy koa delegasiona ahitana depiote 5 tarihan’ny filohan’ny vaomieran’ny raharaham-bahiny eny amin’ity rafi-panjakana ity hanara-dia ireto namany. Ny ampahana solombavambahoaka moa mivorivory an-tsisiny etsy sy eroa manangana ny “Comité adhock” handinika ny tsy fahatongavan’ny minisitry ny atitany sy ny mpikambana Ceni teny an-toerana  ny alarobia teo. Ny sasany koa, tsy fantatra marina na lasa aiza na nanao inona amin’izao fiatrehana ny fivoriana ara-potoana faharoa fandinihana ny tetibolam-panjakana 2016 izao. Ny filoha lefitr’ity Antenimiera ity avy amin’ny Faritanin’Antananarivo omaly no nitarika ny fivoriana teny Tsimbazaza notronin’ny mpanampy tokana dia ny Kestora faha-3 eny an-toerana. 17 niaraka tamin’izy mianadahy no isan’ireo depiote niatrika fivoriana nitambarambe omaly maraina.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT