Omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany no nanainga ho atsy Afrika Atsimo ny delegasiona mpanao politika maromaro mpanohana ny FAT, anisan’ireo nanao sonia ny tondrozotra farany teo.
Ny fanjakana tamin’ny alalan’ny fiadidiana ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita no niantoka izao dia any an-toerana izao. Ny filohan’ny AVI sady mpanolotsain’ny filohan’ny FAT, Ratsirahonana Norbert Lala no nitarika ireo delegasiona. Ndremanjary Jean André (HPM), Ramarcel Rabenjamina (Escopol), Voninahitsy Jean Eugène (Les AS), Lahiniriko Jean (UDR-C), Pierrot Rajaonarivelo (MDM), Vaovao Benjamin (Arema), Lanto Rakotomavo (TGV) sy Randriamanjaka Francky miampy mpanao gazety iray no nandrafitra ny delegasiona. Araka ny loharanom-baovao dia handeha hanery ny SADC mihitsy ireto mpanao politika ireto.
Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo taorian’ny fihaonana manokana tamin’ny filohan’ny FAT omaly maraina izany. Nandeha samirery izy ireo satria tsy afaka miandry, hono, ny raharaham-pirenena. Ny marina dia efa tany Pretoria ary nihaona tamin’ny minisitra Marius Fransman, nitarika ny iraky ny Troika teto, i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona Ravalomanana ary anisan’ny mpanasonia ny tondrozotra ihany koa tamin’ny alalan’ny ankolafy Ravalomanana, dia iny koa ireto fa nandeha. Hanao lobbying ? Ho avy eto anefa ny Troika amin’ny herinandro ambony io. Ny nahagaga, samy niara-nivory tao an-dapa tao ihany nefa nailika tsy ho isan’ny delegasiona ny GMMR sy ny ekipan-dRaharinaivo. Mazava fa dia haingon-tsehatra fotsiny, ilaina rehefa misy itadiavana azy ireto vondrona roa ireto. Torak’izany ihany koa ireo avy amin’ny vondrona afovoany tsy momba ny atsy na ny aroa, nefa tetezamita hiarahana no hatsangana. Farany teo aza dia mbola nampitandrina ny amin’ny tsy tokony hanaovana fanapahan-kevitra samirery ry zareo SADC.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.