Nahazo tehaka mirefodrefotra ny fanambarana nataon’ny filohan’ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa ny talata hariva teo raha nilaza hoe mangataka amin’ny governemanta isika mba homena fitaovana hahafahana miasa…
Ny tetibola misy ny karama sy ny tambin-karama, ny resaka fahana amin’ny finday, ny taratasy hiasana isan’andro efa milamina raha ny eny Tsimbazaza. Fa ny tsy nisy tao anatin’ny 5 taona dia ny fiara tsy mataho-dalana satria tsy nety nanome an’io ny fitondrana teo aloha. Efa nisy ihany ny adivarotra saingy tsy nisy ny fiara nomena ny solombavambahoaka. Ny fitondrana ankehitriny efa nampiseho fa kinga amin’ny fizarana fitaovana, efa fiara 130 mahery no azon’ny polisy, zandary, miaramila, nisy hatramin’ny elikoptera sy fiaramanidina koa aza naseho vahoaka tamin’ny 26 jona… 151 isa ny depiote, ary matoa sahy niteny i Christine Razanamahasoa izay olon’ny IRD dia ao raha. Manodidina ny 60 000Euros (240 000 000Ar) eo ho eo ny fiara tsy mataho-dalana marika Toyota V8 iray, ka 36,3 miliara ariary eo izany no mety vidin’izany ho an’ny depiote rehetra. Tsy tongatonga ho azy ilay isam-bato 100% tamin’ny fifidianana ny talata lasa teo teny Tsimbazaza, miray feo ny depiote amin’izao fanombohan’ny fivoriana izao satria hifandamina amin’ny hitantanana ny antenimieram-pirenena ka tena tsy hisy ny ho diso anjara araka ny tenin-dRazanamahasoa Christine. Azo antoka fa hiray feo ihany koa izy ireo momba ny tombontsoa manokana sy ny fitaovana ambara fa hoenti-miasa. Andrasana kosa anefa ny resaka mangarahara. Homem-potsiny ve ny fiara 4x4 raha ho avy eo sa misy ampaham-bola tsy maintsy efain’ny depiote ? Sa fananam-panjakana io ka ampiasaina mandritra ny fotoam-piasana fotsiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.