Politique

Lapan’i Tsimbazaza Niakaran’ireo tanora vavy niisa 88


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Rehefa bangabanga matetika ny seza fivoriana ao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena ao Tsimbazaza ao tato ho ato dia niakaran’ireo tanora vavy niisa 88 avy amin’ny Faritra 22 eto Madagasikara ny zoma marainan’ny 11 desambra teo

. Tsy hoe nanongana ireo depiote an-kitsirano tamin’ny toerany anefa tsy akory ireto tanora 88 manodidina ny 22 taona ireo  (4 isaky ny Faritra 22)  fa nanandrana fotsiny izany sezana depiote izany tao anatin’ny famaranana ny fihaonambe nasionalin’ny tanora vehivavy eto Madagasikara  nataon’izy ireo ka notarihan’ny fikambanana mpanentana ny tanora handray andraikitra eto amin’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, ny « Yuth First ».  Tafiditra tamin’ilay hoe fametrahana ny  Antenimieran’ny ankizy koa moa izany ary dia nampahafantarina azy ireo manontolo izany andraikitra sahanin’ny depiote izany indrindra ireo depiote vehivavy nitafa manokana tamin’izy ireo.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT