Politique

Lapan’i Mahazoarivo Zara fa nisy ambasadaoro, tsy tonga i Dolin, tsy tazana ny FFKM


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Nanamarika ny andron’ny 02 novambra 2011 ny fandraisan’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, Beriziky Jean Omer nanatanteraka ny asany taorian’ny famindram-pahefana teo aminy sy Camille Vital.

 Alarobia tsy miverina io. Maro ny olona nasaina hanamarika izany fotoan-dehibe izany. Ny voamarika anefa dia zara fa tonga ireo masoivohom-pirenena vahiny. Saika ireo avy amin’ny vondron’ny tany miteny frantsay no tazana teny, toy ny Frantsay, Marôka, Sonegaly sy ireo firenena niara-niasa tamin’ny FAT hatramin’izay toy ny Tiorka, India no tonga fa ireo firenen-dehibe toa ani Etazonia, Alemaina, tsy tazana. Tsy tazana koa ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara. Fa nanaitra koa ny tsy nahitana ny jeneraly isany Dolin Rasolosoa, filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), sy Rabarisoa Ranto, filohan’ny Filankevitra miaramila momba ny fiarovam-pirenena (CMDN), nanotrona ny praiminisitra vaovao teny an-toerana, toy izany koa ny tsy nahitana an-dry zareo FFKM. Ireto farany moa efa nilaza ihany fa hisintaka kely amin’ny resaka politika aloha. Malaza ho tompomarika tamin’ny nahatongavan’i Beriziky Omer, tamin’io toeran’ny praiminisitra io, ny ankolafy Zafy saingy nanaitra ny tsy nahitana na ny filohan’ny ankolafy, dia ny Pr Zafy Albert, na ny lehiben’ny delegasiona, dia ny Dr Rakotovahiny Emmanuel, nanotrona ny olony teny Mahazoarivo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT