Politique

Lapan’i Mahazoarivo Hentitra i Beriziky


  • Zoma 04 Novambra 2011

Izay vaosoratra dia voasoratra ! Mihatra ara-bakiteny io raha ny fisehoan-javatra teny Mahazoarivo omaly no zohiana.

 Nanomboka omaly alakamisy 03 novambra, araka ny efa nanambaran’ny praiminisitra Omer Beriziky azy ny fandraisana ny tolo-kevitr’ireo vondrona politika nanao sonia ny sori-dalana sy ny anaran’olona aroson’izy ireo handrafetana ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena. Nisantatra izany ny avy amin’ny Arema. Teo dia efa somary tsikaritra ny ankisisika teo amin’ny tarik’i Vaovao Benjamin sy Robson Jean Victor, toy ny nitranga teny amin’ny Le Paon d’Or tamin’ny fanaterana kandida praiminisitra. Nifandamina ihany anefa izy ireo, satria ny tandapa dia tsy mahalala afa-tsy izay nanao sonia, ary hentitra amin’izany. Raha nizotra tsy nisy tomika ny fandraisana ny tariky ny Les AS, notarihin’i Voninahitsy Jean Eugène, dia nipoitra indray ny olana rehefa tonga teo amin’ny anjaran’ny Escopol. Rodorodo be teny Mahazoarivo.

Ny minisitry ny fitaterana teo aloha, Marcel Rabenjamina mbamin-dry Elia Ravelomanantsoa no efa teo, saingy nipoitra koa ny tarik’i Efraima Randrianasolo, sy ny Exopoles tarihin-dRasamizafy Cyril ary ny Escopol non Parlementaire, tarihin’i Charles Aimé Andriamorasata. Mazava fa dia tsy voaray teo no ho eo izy ireo, fa nasaina nifandamina. Marcel Rabenjamina rahateo no nanao sonia ny sori-dalana tamin’ny anaran’ny Escopol. Anisan’ireo tonga teny Mahazoarivo omaly i Pierrot Rajaonarivelo, nitarika ny MDM sy ny ekipan’ny HPM an-dry Ralison Roger. Raha ny fandaminana nambara tao Iavoloha tamin’ny zoma 28 oktobra taorian’ny fanendrena sy fampahafantarana ny praiminisitra iraisana, dia dia anarana telo isaky ny vondrona politika nanao sonia ny sori-dalana no andrasana eny Mahazoarivo. Fantatra anefa omaly fa misy vondrona politika nanolotra anarana valo be izao, ary misy amin’ireo kandida praiminisitra farany teo nefa tsy voafidy no mbola naroso ho kandida minisitra indray. Raha ny fiaingany hatreto izany dia mitana ny teniny ny praiminisitra Beriziky, fa ny tondrozotra no hany mibaiko azy sy tanterahiny. Izay rahateo koa no andrasan’ny maro aminy, hampisy fitoniana marina eto amin’ity firenena ity, hivoahana amin’ny krizy. Re anefa fa toa tsy dia mampandry saina loatra an-dry zareo ao Iavoloha io toe-javatra io. Hitohy anio sy rahampitso moa ny fandraisana tolokevitra eny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Andrasana amin’izany ny an’ny TGV, UDR-C, Monima, Ankolafy Zafy ary ny Ankolafy Ravalomanana. Ity farany izay milaza hatreto fa tsy ho avy. Manana hatramin’ny 17 novambra ny praiminisitra handrafetana ny governemantany, ary hanolotra izany amin’ny filohan’ny tetezamita hanendren’ity farany ireo minisitra ho mpikambana ao.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT