Lanto Rakotomavo

“Ratsy hatrany ny vokatry ny amboletra”


  • Zoma 08 Septambra 2023

Raiamandreny nanana adidy niantso ny zanaka ny FFKM, hoy ny mpanao politika, Lanto Rakotomavo,

manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nanomboka tany amin’ny fihaonana isam-paritra, hoy izy, ny fihaonambe. Te hanana firenena vanona ny FFKM. Efa zava-dehibe ny fampihaonana. Inona tokoa moa no tsy hahafahantsika malagasy mihaona sy mifampiresaka ary mikaon-doha amin’izay hanaovana ity firenena malagasy ity? Nahagaga fa tamin’ny fotoana nanokafana fihaonamben’ny FFKM dia singa tokana tamin’ny fitondrana no tazana teny an-toerana dia ny filohan’ny antenimieran-doholona. Tena mahagaga hoe izy ve no solontenan’ny fanjakana iraimanontolo? Efa hita ho tsy fitiavana hifanakalo hevitra ny tsy fahazotoana hiatrika fihaonana tahaka ireny. Ho ratsy hatrany anefa ny vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy ny amboletra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT