Nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny Antenimieram-pirenena hamita iraka ho any Maraoka ny depiote Lanto Rakotomanga voafidy tao amin’ny boriborintany faharoa eto Antananarivo Renivohitra saingy tafiditra ao anaty lisitr’ireo tsy mahazo
mivoaka an’i Madagasikara na IST (Interdiction de sortie du territoir) araka ny fiantso ara-teknika azy ka tavela eto an-tanindrazana. Voatery nivoaka ny fiaramanidina tokony hitondra azy ho any Frantsa hitarika ny delegasiona parlemantera Malagasy saika hamonjy ny fivoriana COP 21 koa ny faran’ny herinandro lasa teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max, noho ny fanakanana avy any ambony tsy dia tokony hisy loatra raha ny marina, hoy ireo depiote teny Tsimbazaza omaly. Niaka-pofona mihitsy moa ny ankamaroan’ireo solombavambahoaka tonga teny Tsimbazaza omaly ary nanameloka ny fihetsika nataon’ny fitondram-panjakana ka niray feo tamin’ny depiote Zafimily Constance sy ny depiote Rahasimanana Paul Bert tamin’ny filazana fa tena manabarabara solombavambahoaka mihitsy ary tsy manome ny hasina sahaza azy ireo ny fitondrana ankehitriny ka tsy azo ekena. Nasaina ho tonga ety Tsimbazaza mba hiara-kidinika ny mahasoa an’ity firenena ity ny minisitry ny atitany malagasy, hoy izy ireo, saingy tsy nipoitra sy tsy nahatonga fialan-tsiny hatreto izay tena midika ho fanaovana tsinontsinona olom-boafidy, hoy izy ireo. Nampita hafatra tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, araka izany, ireo solombavambahoaka mba hitondra ny tenin’izy ireo eny anivon’ny governemanta noho ny fihetsika miseho.
Ntsoavina Evariste
Ny depiote Lanto Rakotomanga voasakana tsy ho any ivelany koa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.