Tsy an-kitsitsy intsony ny resaka fifampihantsiana sy ny fifamotehana eo amin’ny mpitondra HVM sy ireo sokajiana ho mpanohitra, indrindra fa taorian’ny raharaha fahalanian’ny lalàm-pifidianana.
Noroahina vao maraina teny amin’ny trano nitoerany teny Amparibe ny minisitry ny fitsarana tamin’ny tetezamita, izay depiote ao anatin’ny MAPAR, Christine Razanamahasoa ny zoma 6 aprily teo. Na tsy nivantana aza i Rivo Rakotovao teny Mahamasina ny sabotsy teo, dia mbola niresaka an-kolaka iny raharaha iny tamin’ny hoe : 5 taona ve ianao dia nidongizihitra fotsiny tao, kanefa tokony ho filamatra ? Nanoloana ny raharaha fahavakisan’ny resaka horonantsarin’ny depiote misy resaka fizaram-bola, dia nilaza ity lehiben’ny antenimierandoholona ity ny herinandro teo fa tsy tokony hifanoso-potaka sy hifanala baraka. Notsiahiviny ihany koa ny raharaha volabe tratra tao anatin’ny fiaran’ny depiote MAPAR, Lanto Rakotomanga teny Namontana ny volana jona 2015. Miakatra ny maripana ary mitady izay fomba rehetra hamelezana ny mpifanandrina aminy ny fanjakana HVM. Tsara ny manamarika fa nialoha ny nandroahana an’i Christine Razanamahasoa tamin’ny trano nitoerany, dia nisy ny serasera ninian’ny mpitondra naely sy noresahina, ary niafara tamin’iny didy tsy azo nivalozana iny. Efa manomboka mivoaka eny am-bavan’ny mpitondra indray ny raharaha Lanto Rakotomanga, ka mampametra-panontaniana hoe : hopehana ihany koa ve ity depiote MAPAR ity matoa fohazina tsikelikely iny resaka volabe iny ? Inona no tsy nitohizany hatramin’izay ? Sa noho ny resaka zo tsy azo henjehina ananan’ny solombavambahoaka ? Tsy fantatra mandrak’androany ny tohin’iny, saingy mety hifoha rehefa tena mafana ny fifanolanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.