Politique

Lanto Rabenatoandro Ampiharo ny tondrozotra dia miato ny tolona


  • Alatsinainy 07 Novambra 2011

Nanamafy ny tsy hidirana ao anatin’ny rafitra tetezamita izay hajoro ny senatera Lanto Rabenatoandro raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy 05 novambra lasa teo.

 Nomarihiny fa hatramin’ny nanendrena ny Praiminisitra Beriziky no efa nitsipaka izany ry zareo saingy niandry ny toromarika avy tamin’ny Filoha Ravalomanana fotsiny. Teboka efatra no notsindriany mafy dia ny famoahana ireo gadra politika, fanokafana ireo radio rehetra nakaton’ny fitondrana tetezamita, fampiharana tsy misy hatak’andro ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra ary ny fanarahana izany tondrozotra izany amin’ny antsipirihany, izay vao miato ny tolona sy ny fanehoan-kevitra samihafa. Nohamafisiny fa tsy ny ankolafy Ravalomanana ihany no tsy manaiky io Praiminisitra io fa marobe saingy ry zareo no sahy naneho izany an-karihary. Mitohy ny tolona, hoy izy na eto an-toerana na any ivelan’i Madagasikara. Nohamafisiny koa fa tsy misy TIM miara-dia amin’i Andry Rajoelina izany fa ireo mpamadika sy mpitady seza ihany no any. Nolazain’ity mpanao politika ity moa fa tsy misy ny olana ho azy ireo ao anatin’ny ankolafy telo fa kosa tsy maintsy hisy ny fandaminana miaraka amin’ny Profesora Zafy Albert.
Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT