Tokony hovaina tanteraka ny fanaovana politika eto amintsika, hoy Ramatoa Ravololomanana Lalatiana.
Nambarany fa tokony hiray hina tanteraka ny mpanao politika, indrindra fa ireo mpanohitra, fa noho ny tsy fisian’ny firaisankina eo amin’izy ireo, no mampizarazara hevitra an’ireo antoko mpanohitra ireo, raha ny filazany. Raha hanohitra, dia fanoherana tokony ahoana koa no apetraka ary fanoherana hanao inona?, hoy ny fanazavany. Araka ny nambarany hatrany, dia tokony hapetraka mazava ny fanoherana eto amintsika, mba hametraka rafitra iray iraisana. Misy amin’ireo antoko politika mpanohitra ireo mantsy no tsy ara-dalana, hoy izy. Araka ny fantatra, dia ny fampiharana ny lalàna 2011-013 no nahafahan’ireo antoko politika mpanohitra ireo nametraka sy nisafidy an’Atoa Marc Ravalomanana ho lehiben’ny mpanohitra, raha ny fanazavany hatrany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.