Ratsy tantana toy ny firenena ny fanomanana ity fifidianana Loholona indray mitoraka ity, hoy i Lalatiana Ravololomanana raha naneho ny heviny. Tsy mbola rava akory ny CENI-T dia natsangana ny CENI
. Nokianiny koa ny fametrahana ny biraom-pifidianana isaky ny Kaominina izay tsy manaraka ny tena izy. Nambarany fa handeha hifidy ny tenany satria zon’ny tsirairay izany. Habaribariny sy hasehony amin’ny rehetra kosa fa hijanona ho mpanohitra hatrany ny tenany. Toheriny ny tsy fahaiza-mitantana misy amin’izao fitondrana Hery Rajaonarimampianina izao. Tsy misy mangarahara mihitsy sady tsy misy fitsinjovana ny sosialim-bahoaka ihany koa. Noraisiny ohatra ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Ratsy orina ny Repoblika fahefatra hoy i Lalatiana Ravololomanana. Ho tapitra ihany ity ny taona 2015 saingy tsy mipaka isan-tokantrano akory ny asan’ny fanjakana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.