Politique

Lalatiana Ravololomanana Mila mametra-pialana ny minisitry ny fitsarana


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

“Raha toa ka misy milaza fa tsy marina ny nambaran’ny prezida Zafy Albert ka mahatsiaro tena ho afa-baraka dia zon’izy ireo tanteraka ny mitory ny profesora Zafy Albert”, hoy ny Manda ho an’ny Firaisam-pirenena, tarihin-dRtoa Lalatiana Ravololomanana.

 Adidin’ny fitsarana, hoy ihany izy, manomboka eto ny manao fanadihadiana tsy mitanila mikasika ireny trangan-javatra nanaovan’ny Pr Zafy fitoriana ireny. Izany rahateo no andrasan’ny Malagasy dia ny hamantatra izay mandroba sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Araka ny fanazavany ihany dia tokony handeha an-kalalahana ny fanadihadiana sy ny fitsarana io raharaha io. Anarana maromaro no voatonona amin’ity resaka andramena ity, misy minisitra, ao ny mpandraharaha Malagasy sy Karana. Heverin’i Lalatiana Ravololomanana ary fa tokony hametra-pialana ny minisitra mandritry ny fanadihadiana mba hisian’ny fahaleovantena sy ny mangarahara.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT