Lalatiana Rakotondrazafy

Taratra eny amin’ny endriny ny fanahiana


  • Alatsinainy 27 Mey 2024

Mipoapoaka amin’izao fotoana izao ny seraseran’ny heverina fa kandidam-panjakana ao Faratsiho, Lalatiana Rakotondrazafy.

Izy rahateo moa mpanao gazety ary nisehatra an-taonany maro teo amin’ny tontolon’ny serasera sy haino aman-jery nialohan’ny naha minisitra azy. Raha ny sary aparitak’ireo mpiandraikitra izay seraserany ao anatin’izao fampielezankevitra izao izay ihany koa dia vahoaka marobe hatrany no tonga manontrona ny famoriam-bahoakany. Valabetokana, Ambohiborona, Faratsiho, Miandrarivo, Ambondrona, Miandrarivo na aiza na aiza dia aseho an-tsary fa toa vahoaka be hatrany? Fomba fanaon’ny mpanao politika rehetra milatsaka ho fidiana rahateo moa io maka sary ny zoro na «angle» hitangoronan’ny olona be indrindra io saingy ny any anaty vata fandatsaham-bato ihany no tena hitsarana azy, hoy ny filazan-drizareo azy izay. Toy ny mahazaka vahoaka be daholo rehefa maka sary eny an-kianja. Raha iverenana, etsy ankilan’izay, ny mahakasika ilay heverina hoe kandidam-panjakana ao Faratsiho teo dia taratra eny amin’ny endriny ny fanahiana na eo aza izay serasera te hilaza mialoha fibatana fandresena izay. Inona no mety ho antony? Eo indrindra isika izao. Mipetraka ny fanontaniana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT