Ambilobe, ny alin’ny zoma 9 septambra 2022 dia mbola tsy nisy fifaliana tahaka izany ho an’ny vahoaka, nandeha tongotra kilaometatra maro nitsena ny filoha Rajoelina mivady,
hoy ny mpitondra tenin’ny governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook. Ny tena mahafaly azy ireo dia tsotra, hoy izy, efa tsy nino intsony izy ireo ny fahavitan’ny lalana satria efa maro loatra ny nampanantena ny fanamboarana azy, eny, nisy filoha aza avy tamin’io faritra io nandrandrain’izy ireo hamita azy tamin’ny fotoan’androny fa tsy nety vita ilay izy. Na ny filoha Rajoelina aza nampanantena koa tsy nino izy ireo raha tsy efa nanomboka mihitsy ny asa izay vao natoky hoe tena ho atao tokoa, dia tena vita tokoa. Asa mety ho azon’ny sasany amin’izay ny fetran’ity tambajotra ity. Raha izay fanaratsiana natao sy ny fanatsatsoana ity asa fanamboarana ity izay no nisy nihaino tokony tsy nisy olona na iray aza nitsena sy nanatrika ny fihaonana tamin’ny filoha Rajoelina. Raha izay fanenjehana ny fitondrana ankehitriny izay teto amin’ity tambajotra ity tao anatin’ny 4 taona latsaka izay, tokony tsy misy olona intsony tia an’ity fitondrana ity. Fa jereo ny tena zava-misy! Midina eny an-kianja fa aza mijanona ao ambadiky ny fàfana na “écran” ao fotsiny dia mba mahita sy miaina tsara ny tena zava-misy na « réalité » fa tsy mamita-tena ao. Dia tokony miova paikady amin’izay hoy aho fa ho avy anie ny 2023 e! Tena tsy niova fa nihamafy aza ny fifamatoran’ny filoha Rajoelina sy ny vahoakan’ny tapany avaratry ny Nosy. Nahita maso aho dia afaka miteny, hoy hatrany ny tenany nitsikera mafy indray ireo mpikirakira tambazotran-tserasera. Etsy ankilany, ny fanontaniana mipetraka hatrany dia ny hoe ny fitiavana na tsy fitiavana ny filoham-pirenena ankehitriny na Rakoto na Rabe ve no olana sa ny fahasahiranana mianjady amin’ny sarambabem-bahoaka ankehitriny izay nahitan’ny sehatra iraisampirenena fa mitombo ny taham-pahantrana eto? Efa naverimberina hatrany ny hoe ataon’ny mponina inona kianja manara-penitra sy fotodrafitrasa marevaka hi-werawerana maro rehefa noana sy bokan-trosa noho ny tsy fisian’asa izy ? Hany ampy handrefesana ny fahombiazana na tsy fahombiazan’izao fitondrana izao ve ny fahavitana lalam-pirenena iray? Ny mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera indray ve izany no ho atao fahavalo sa moa izay mitsikera ny tsy mety rehetra dia mpanohitra?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.