Lalatiana Rakotondrazafy

Miketrika ho Governoran’i Vakinankaratra…


  • Zoma 19 Jolay 2024

Tsy manary namana ny Filoha Rajoelina, izaho no « bête noire » an’ny mpanohitra,

akaiky ny fanovana governemanta dia henjehina mafy aho, na tianareo na tsy tianareo dia manana lanja ara-politika ao anaty Fitondrana aho matoa enjehinareo sy anaovanareo angaredona, fitsarana ara-politika fa tsy araka ny lalàna no nataon’ny HCC,… Ireo no isan’ny tenin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy taorian’ny tsy fahalaniany tao amin’ny distrikan’i Faratsiho. Nanaitra ihany anefa ny resany tao anatin’ny fanamarihana ny faha-9 taonan’ny antokony dia ny Freedom ny 13 jolay, toa nanenjika sy nanao tsindro-paingotra ho an’ny fitondrana izay nambara fa misy ny tsy fahaiza-mitantana. Misy aza minisitra teo aloha izay lasa solombavambahoaka dia ny depioten’i Fianarantsoa voalohany Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle aza nambarany fa isan’ny namotika ny fampianarana. Misy lonilony ve eo amin’ny roa tonta sa resaka fiadiana ny toerana ho Minisitry ny fanabeazam-pirenena izay voalaza tany aloha fa niriany mafy tany amin’ny taona 2021 fa tsy azony ? Tahaka izany ihany koa ny nanipihany, fa Freedom izy fa tsy TGV. Betsaka tamin’ny olona tao anatin’ny fitondrana no niahiahy azy ho nanao izay hahabe voho ny antokony sy ny olony fony Minisitra, eny fa na ny fitantanana ny haino aman-jerim-panjakana aza toa nisy endrika an’izay. Misy amin’ireo olon’ny fitondrana no maniry sy manao izay tsy hahatafaverenany ao anatin’ny governemanta. Ny tenany izay marihina anefa fa isan’ireo nanangana ny UPAR (Union Pro-Rajoelina) tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo, ary anisan’ireo nikofokofoka tamin’ny fampandaniana an-dRajoelina. Hanao ahoana ny hoavy politikany sy ny mety tohin’ny fiarahany amin’i Andry Rajoelina?
HAKISAKA NA HIKISAKA HO GOVERNORA ?
Mbola ho tafaverina ao anatin’ny governemanta sa homena andraikitra hafa? Mitombina ve ny resaka mandeha fa mikendry mafy ny hatao governoran’i Vakinankaratra ? Hakisaka hatao governoran sa mba te hiova rivotra politika misintaka kely governemanta ? Ny sary mitranga aloha dia miezaka mafy manao zavatra ao amin’ny distrikan’i Faratsiho ny tenany na tsy lany ho depiote aza. Nitokan-javatra toy ny Birao ifoton’ny fananan-tany, miezaka manakaiky ny mponina, milalao an’ilay hoe : lasibatra na « victime » ary maneho fa miahy ireo mpanara-dia azy lazaina fa tratry ny fanenjehana politika,… Karazan’ny efa miomana sy manomana amin’ny ho avy sahady noho izany ity Minisitra teo aloha ity, izay toa manonitra ny tsy fahalaniany ka maneho fa manao zavatra, raha tsy dia niraharaha firy an’i Faratsiho nandritra ny taona maro naha Minisitra Minisitra azy ka toa mampitombina ny resaka mandeha fa mikendry ny ho governora saingy ny ho avy moa no hanamarina na handiso azy. Raha ho tonga amin’io, dia mazava ho azy fa manana fahefana kokoa amin’i Faratsiho ary tsikaritra ho tena mbola tsy maty voalavo an-kibo amin’ny depiote Ramilison Nomenjanahary na Mily. Miezaka milalao an’ilay hoe : miasa sy mahavita zavatra noho ny depiote voafidy, ka mba mifaninana amin’izay vitany ao izany e ! Asa hanao ahoana indray ity resaka mivoaka amin’ny mety hametrahana azy ho governoran’i Vakinankaratra ity fa ara-politika aloha dia mety ho sarotsarotsarotra ihany koa ny hanongotra an-dRakotomaditra Vy Vato ao?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT