Lalatiana Rakotondrazafy

«Mba nankaiza ilay KMSB?»


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Mba nankaiza hoy aho ilay KMSB na Komity miaro ny safidim-bahoaka hoe natsangan’ny

vondron’ny mpanohitra tao amin’ny Firaisankina taorian’ny fifidianana, hoy ny fanontanian’ny kandida ho depiote tao Faratsiho farany teo, Lalatiana Rakotondrazafy? Toa vao noresena i Lalatiana dia nangina tanteraka, hoy izy, nefa hoe tena natsangana nanerana ny nosy mihitsy ary ohatran’ny dia hoe hanao zavatra be toy inona ery? Izany hoe noho ilay vehivavy kely iray monja fotsiny izany no tena nananganana ilay KMSB manerana an’i Madagasikara ve? Na inona na inona lazain’izy ireo dia tena manahirana azy mafy mihitsy ilay vehivavy kely iray io. «Tout ça pour ça?», hoy ny fitenin’ny vazaha izay. Mino aho fa azontsika amin’izay hoe nety hoy aho ilay paika. Minoa ahy ianareo fa ny valin’ity teniko ity dia fanivaivana mirefarefa amin’ny tany maro be indray avy amin’ny kaonty fako hoe «makorelina», «resy lava», «tsy tiam-bahoaka » sy ny tariny, hoy hatrany ny tenany tao amin’ny tambazotran-tseraserany fa tsy misy mba hevitra azo raisina mihitsy. Izay koa moa no mba hain’izy ireo sy andraisany karama hamelomam-bady aman-janaka ka dia tsara tso-drano! Isika mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT