Lalatiana Rakotondrazafy

Manizingizina ho niharan’ny hala-bato…


  • Alarobia 05 Jona 2024

Nambaran-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy tao anatin’ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra alina,

fa nampiasa bileta efa voamarika nialoha ny kandida Nomenjanahary Ramilison tao Faratsiho omaly. Nolazainy fa nitazona ny lisitra sady nibaiko ny mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato ny delegen’ny kandida N°3 izay notondroina fa sady lehiben’ny birao fandatsaham-bato, saingy efa nisy ny fandisoana nataon’ny komity miaro ny safidim-bahoaka ao Faratsiho na ny KMSB Faratsiho. Nilaza Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy navela nifidy ny olony. Nolazaina fa efa tsy nihidy intsony ny « collis » misy ny bileta tokana. Nilaza ho nandeha mahitsy sy tsy nangala-bato ny kandida Lalatiana Rakotondrazafy, fa ny kandida Ramilison, dia nampiasa bileta efa voamarika mialoha na « bulletins pré-cochés », ka nomena an’iny ny olona nifidy, ary novidiana 10000Ar ny bileta madio avy ao anaty birao fandatsaham-bato, raha ny nambaran’ity Minisitra teo aloha ity. Somary mampihomehy ihany ilay serasera mandeha amin’izao fotoana izao, ary tsy dia hita firy ny hoe : ny kandidam-panjakana no milaza ho lasibatra sy niharan’ny hala-bato raha tsy tamin’ity. Nahoana no tsy misy olon’ny birao fandatsaham-bato nosamborina teo anatrehan’ny hoe : fanapariahana biletam-pifidianana tsy ara-dalàna ? Mandeha ny fiampangana ho nividy ny safidim-bahoaka fa fanontaniana azo apetraka ny hoe : inona izany ireo moto sy zavatra maro samihafa nozarazaraina tao Faratsiho ? Dia tena azo inoana ve ny hoe : ny kandidam-panjakana no tratry ny antsojay dia hipetra-potsiny eo anatrehan’ny filazany fa tsy navela nifidy ny olony, nampiasa bileta tsy ara-dalàna na nangala-bato ny kandida mpanohitra dia ho afa-bela ? Raikitra ny serasera izay lasa ady fiady ara-politika ka asa hoe : hitsimbadika tokoa ary ve izany ny fahalanian-dRamilison Nomenjanahary izay mitarika amin’ny elanelam-bato 2000 mahery?

Nilaza i Lalatiana Rakotondrazafy fa matoky raha toa ka tena mitsara araka ny lalàna ny mpitsara, ary manantena fa ho hitan’ny HCC ny zavatra rehetra iampangany ny kandidan’ny Firaisankina. Firenena hatsangana amin’ny halabato sy ny halatra ve no hatsangana eto sa firenena mandeha amin’ny fahamarinana ? hoy izy. Fanontaniana tena tokony hiantefa amin’ny Fitondrana io.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT