Lalatiana R, minisitra tsy tafaverina

« Mahereza ianareo manoloana ny politikan’ny fifehezan-kibo »


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Anisan’ireo olon’ny fitondrana votso-droa ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy satria sady

tsy lany ho solombavambahoaka no tsy tafaverina ho Minisitra intsony. Samy niandry izay mety ho firesany taorian’ny fitsanganan’ny governemanta ny rehetra hoe : hanao ahoana ? Inona no mety ho toerana hametrahana azy atsy ho atsy ? Niaraha ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra naha-tafatsangana governemanta vaovao ny tenany ary naneho fankasitrahana. Sady nirary soa no nilaza fa ho henjana ny zava-miandry an’ireo olon’ny governemanta. « Mirary soa an’ireo mpikambana vaovao hahaleo hahalasana amin’ity adidy mavesatra dia mavesatra hatrehina manomboka eto, izay fantatra fa tena ho sarotra manoloana ny politikan’ny fifehezan-kibo (austérité) tsy maintsy ampiharina noho ny « coupe budgétaire » tsy maintsy natao. Ny tena zava-dehibe dia ny fametrahana laharam-pahamehana tena izy araka ireo toromarika matotra sy mitombona nomen’ny Filoha nandritra ny lahateniny teo. Mino aho fa tsy hatoro voanjo adiana ireo ekipa vaovao ireo. Manohana anareo hatrany amin’ny asa masina iantsorohanareo. », hoy ity Minisitra teo aloha ity. Asa aloha hoe : laharam-pahamehana tena izy sa tsy tena izy no nisy hatrizay, fa misy horaisina ity fanehoan-kevitra ity ? Asa mahatsiaro ho maivamaivana sy milamindamina ve ity Minisitra teo aloha ity eo anatrehan’ny sedra miandry ireo minisitra vaovao izay tsy maintsy hiaina fifehezan-kibo eo anatrehan’ny fampihenana ny vola iasana ? Voky izy dia milamindamina fa ny hafa mbola henjana ny miandry ? Moa tsy maneho sy mampibaribary fa tena difotra ao anatin’ny fahasahiranana ara-bola ny fitondrana ankehitriny ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT