Rehefa misy olana tsy maintsy misy ny vahaolana. Fomba fiasa entin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eto Antananarivo Renivohitra izany,
koa na nangadihady aza ny kitapom-bolan’ny CUA novantaniny dia tsy maintsy mikaroka ny fomba hahafana miasa sy manatanteraka ny fandaharanasa nampanantenainy ny vahoaka izy.
Vahaolana haingana
Natomboka ny alarobia lasa teo ny fanadiovana ireo tatatra sy lakandrano eto Antananarivo Renivohitra ary tsy maintsy atao izany avokoa ireo boriborintany 6, indrindra fa ny eny amin’ny faritra iva. Ho fisorohana ny mety ho fiakaran’ny rano no antony. Iaraha-mahita fa vao orana 3 andro dia efa miakatra ny rano. Tsy hitazam-potsiny ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy fa nikaroka ny hevitra rehetra, niresaka tamin’ny mpanohana sy ireo mpiara-miombon’antoka ka roso ny asa. Anio dia fantatra fa miainga eo Anosy handalo an’Anosibe ary hipaka hatreny Anosizato atsinanana ny fanadiovana ny tatatra sy ny lalan-drano. Maro ny fifampiresahana efa natao tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ary tsy maintsy vita ny asa maika rehetra, hoy ny mpiara-miasa tamin’ny ben’ny tanàna raha nanontaniana omaly. Hiitatra any amin’ny boriborintany sy ny fokontany hafa fa tsy hoe hijanona eny Anosibe ny asa. Rtoa Lalao Ravalomanana moa dia efa nilaza fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny fitondram-panjakana mba hanarenana ny renivohitra ka ho hita eo ny fihetsiky ny fanjakana foibe. Hanohana sy hanampy ny kaominina ve sa sanatria hitazam-potsiny ? Mbola somary maivana ihany ny orana tato ho ato kanefa efa misy sahady ireo fokontany dibo-drano. Ho raharaha no hitranga rehefa mijojo ny oram-pahavaratra. Ho avy rahateo ny vanim-potoan’ny fety izay mampitombo isa ny mpivarotra amoron-dalana sy ny fahavokaran’ny voankazo koa dia hisavovona ny fako isan-karazany. Azo antoka fa ny fahafantarana izany zavatra hitranga rehetra izany no mahatonga ny kaominina hihetsika dieny izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.