Politique

Lalao Ravalomanana Miantso ny FFKM handray andraikitra


  • Talata 24 Aprily 2018

Nanao fanambarana, teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra, amin’ny maha Reny azy omaly ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana.

 

Nitondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ireo fianakavian’ny namoy ny aina tamin’iny sakoroka ny sabotsy teo iny ny tenany ary nirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra ihany koa. Aoka izay ny ra latsaka, hoy izy, fa tsy ekeko ho tanàna mihoson-drà Iarivo. Tsy izany no fanamby nataoko tamin’ny vahoakako fa ny hampandroso ity renivohi-pirenena ity, hoy hatrany ny tenany. Manameloka tanteraka ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka mivory am-pilaminana, ao anatin’ny fanajana ny lalàna velona. Manao antso avo ny mpitandro filaminana mba tsy hampiasa hery amin’ny vahoaka maneho hevitra, fa hitandro ny filaminana sy hiaro ny ain’ny olona sy ny fananany. Manana fahalalahana hanao tatitra, araka ny voalazan’ny lalàm-panorenana ny solombavambahoaka ka antony namelana izany tao amin’ny lapan’ny tanàna, raha ny nambarany hatrany. Niantso ny FFKM na Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara  handray ny andraikiny ihany koa izy ary nanasa ny vahoaka mba samy ho tony.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT