Politique

Lalao Ravalomanana Hanao valin-kafatra anio


  • Talata 24 Novambra 2015

Tanàna misy mpitantana Antananarivo. Mpitantana nomen’ny vahoaka fitokisana tamin’ny alalan’ny latsa-bato natao ny 31 jolay 2015. Misy ny vinam-pampandrosoana ny tanàna naroson’i Neny Lalao Ravalomanana tamin’ny vahoakan’Antananarivo ary io ifamatorany mandritra ny efa-taona itondrany ny tanàna.

 


Miavaka amin’ireo Ben’ny tanàna sy filohan’ny delegasiona manokana nifandimby nitondra teto ny fomba fiasan’i Neny, izay vehivavy voalohany nitantana ity renivohitr’i Madagasikara ity. Tsy be resaka, tsy be tabataba, fa miasa. Asehony fa Reny izy, mahalala tsara ny manjo ny isan-tokantranon’ireo miaina eto amin’ity tanàna iadidiany ity. Reny, mijoro ho maodely sy mpitarika. Ary mpitarika mahay tsy voatery ho hita etsy sy eroa, fa manetsika ny mpiara-miasa aminy sy manome toromarika dia io hita maso io ny vokatra, na vao manomboka aza. Niainga teo anivon’ny fiadidiana ny tanàna ny ohatra. Nanaraka ny teny anivon’ny Boriborintany. Oviana teto no misy hoe amin’ny andro alatsinainy voalohan’ny herinandro, andro fitadiavam-bola no manao angaredona miara-mamafa tsena ny mpivaro amoron-dalana. Mpitarika mahay sy itokisana no mahavita manetsika ho amin’izany. Anio, dia hidina vao maraina eny Ampefiloha (Boriboritany voalohany), mipaka eny Ambidirano (Boriborintany fahefatra) eny ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ny tena mpitondra rahateo dia mitsinjo lavitra, ary mieritreritra mandrakariva ny vahoaka ao aminy. Faritra misedra fahasahirana lava amin’ny fiakaran’ny rano iny, ka inoana fa dingana amin’ny famahana izany olana izany no anton-dian’i Neny eny an-toerana na ny APIPA aza no tompon’andraikitra voalohany amin’ny tatatra eto an-drenivohitra, ary ny SAMVA ny fako. Mandritra izany ihany koa i Neny no mety hanao valin-kafatra ny amin’ireo fanakianana momba ny fitantanany ny tanàna, tsy hahatompon-trano mihono ny vahoaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT