Mitety faritra manamafy ny fampielezan-kevitra ho fampandaniana ny kandida filoham-pirenena Robinson Jean Louis sy ireo kandida solombavambahoakan’ny ankolafy Ravalomanana i Neny Lalao Ravalomanana.
Tao Ambatofinandrahana dia nambaran’i Neny fa afaka andro vitsivitsy dia hanana filoham-pirenena vaovao i Madagasikara. Mila tohanana am-bavaka anefa izany faniriana izany satria misy ny fahavalo. Tsy misy afa-tsy ny fananana finoana ihany no ahazoana fahombiazana, araka ny nambarany. Nentaniny manokana ny vehivavy sy ny tanora ary ny lehilahy rehetra hiaraka hanangana firenena vanona ho an’ny taranaka. Ny kandida “favori” Robinson Jean Louis ihany no hitarika antsika ho any amin’ny fahombiazana, ka mino ny vahoakan’Amoron’i Mania manontolo i Neny fa handrotsaka ny vato laharana faha-33 ho an’ny kandida Dokotera Robinson Jean Louis amin’ny 20 desambra izao. Mila fiainana tsaratsara kokoa noho izao ny vahoaka Malagasy, hoy i Neny Lalao Ravalomanana koa mifalia amin’ny fanantenana isika. Nampanantena mbola hiverina any Amoron’i Mania tsy ho ela ny tenany.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.