Betsaka ny resaka mandeha sy ny fanaratsiana ary ny lainga izay toa mampihomehy ihany satria ny samy Malagasy dia tokony hiray hina sy hampiseho fiaraha-miasa hanarina amin’ny maha « Soa iombonan'ny Malagasy an'Antananarivo Renivohitra »,
hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana omaly. Nambarany fa betsaka ny zava-bita eto Antananarivo manakaiky ny vahoaka saingy maro isika no tsy manaraka fitsipika, ka takon’ny ratsy ny tsara ary misy ihany koa ireo miezaka manely tsaho hanakonana izany. Tsy tokony hiaina amin’ny honohono isika Malagasy fa tsy mampandroso izany ary mila hazavaina aminy ny marina, hoy ny ben’ny tanàna. Nohazavainy fa ny fanapahan-kevitra rehetra raisina, dia miainga ao amin’ny Filankevitra monisipaly ary mbola misy kaomisionina mitsangana aorian’izay fa tsy ny ben’ny tanàna akory no manapatapaka fahatany na manapatra fahefana. Miantso hatrany ny SAMVA hanatontosa ny andraikiny amin’ny fanadiovana an’Antananarivo ny CUA. Efa voaloa ara-dalàna tamin’ny SAMVA ny vola tokony ho naloan’ny CUA amin’ny fitaomana ny fako, hoy Andriamasinoro Tahiry Ny Riana Sekretera Jeneralin’ny CUA. Atao tsikelikely ny fanalana ireo mpivarotra eny amoron-dalana fa tsy vita indray mandeha izany, ary ny zavatra vonjimaika ny resaka fanoritana ny arabe, izay fandaminana noraisin’ny boriborintany fahatelo manokana, raha ny fanazavany.
Amin’ny mpampiantrano an’Antananarivo, dia nihaona tamin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teny amin’ny Lapan’ny tanàna ny solontenan’ny “Nonce Apostolique” nanatitra sy nanazava ny fandaharam-potoanan’ny Papa mandritra ny fandalovany eto tsy ho ela.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.