Lalao politika tao anatin’ny 15 taona

Nanamafy ny fampisaraham-bazana ny malagasy


  • Zoma 06 Desambra 2024

Hatramin’izao, 15 taona mahery aty aoriana, dia mbola misy malagasy miantso ny malagasy mitovy aminy hoe foza» ihany.

Nentin’ireo mpanaradia ny filoham-pirenena niongana, Marc Ravalomanana, niantsoana ireo mpanaradia ny mpanongam-panjakàna izay ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany, Andry Rajoelina, moa izay voambolana izay ny taona 2009. Tetsy ankilany, janoary 2009, dia nisy fifampihantsian’ny samy sivily mihitsy tamin’izany fotoana izany teny amin’iny manodidina an’Analakely sy Ambohijatovo iny. An-daniny, miantsoantso, «izahay zanak’i Dada fa ianareo foza!». An-kilany koa mamaly «Dadan’ialahy mpamosavy!». Nalaza moa tamin’ireny fotoana ireny ny firongatry ny foza orana, izay biby mitorona nanimba voly maro ka dia hoe niantsoana ireo izany nitondra tany amin’ny fiemoran’ny firenena mandrak’androany izany ilay hoe «foza orana» na «foza» saingy nony nivoatra ny toe-draharaha dia lasa niitatra tany amin’ny resaka fanavakavahana tamin’ny resaka fihaviana sy firazanana mihitsy izany ary io mbola iaraha-mahita eny an-kianja anatin’ny fampielezankevitra kaominaly ankehitriny io ihany. Azo lazaina ho nanamafy ny fampisaraham-bazana ny malagasy ny lalao politika Ravalo – Rajoelina, izay io vaky ambatolampy nijoroana mpisehatra politika samihafa io ihany moa taty aoriana fa fifanarahana politika teo amin’izy mianaka ireto no tena tao ambadika. Ny niharihary indrindra dia ny taona 2018 rehefa vita ny tolon’ireo depiote miisa 73 ka nizaràn’ny 2 tonta ireo minisitera samihafa. Ireo minisitera niankinan’ny ain’ny orinasan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, toy ny minisiteran’ny indostria sy ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifàna no nalainy raha toa ka ireo minisitera iankinan’ny fifidianana filoham-pirenena 2018 toy ny minisiteran’ny atitany sy ny minisiteran’ny fitsaràna kosa no nalain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT