Teto Madagasikara dia teraka, taorian`ny fandanian`ny vahoaka Malagasy ny lalàmpanorenana tamin`ny taona 2010, ny fisian`ny fanoherana manara-drafitra ao anatin`ny Antenimieram-pirenena.
Ny lalàna no natao ho fampiharana izay voalazan`ny lalàmpanorenana. Ny tranga misy anefa dia misy fahabangana io lalàna io, hoy Ranesa Firiana, mpahay lalàna. Tsy tao ny fombafomba fifidianana lehiben`ny mpanohitra. Tsy voafaritra mihitsy tao anatin`ilay lalàna, hany ka lasa miteraka adihevitra. Tsy misy fe-potoana napetraky ny lalàna ahafahana mijoro ho an`ny mpanohitra hany ka azo lalaovina ny fehezan-dalàna, hoy ihany izy. Miantso fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimiera roa tonta handinihana ny lalàna mikasika ny mpanohitra. Azo heverina fa handinika ny fanatsarana azy io ny depiote sy ny loholona mba tsy hisian`ny adihevitra intsony amin`ny fampiharana azy. Nohamafisiny kosa fa ny lalàmpanorenana dia tsy miova, izany hoe miainga avy amin`ny antenimieram-pirenena no fotora tsy maintsy hiaingana. Na io lalàna io na hisy ny fanatsarana dia tsy afaka mivoana amin`ny fotokevi-dehibe napetraky ny lalàmpanorenana. Noho izany, azo antoka fa tsy maintsy miainga avy amin`ny maro an`isa manohitra ny fivoahan`izay fandaminana mikasika ny mpanohitra sy lehiben` ny mpanohitra, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.