Politique

Lalàna mifehy ny mpanohitra Holanian’ny depiote anio…


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Lahadinika tamin’ny fivoriambe teny amin’ny antenimieram-pirenena omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana, izay tsy natrehin’ireo depiote mpanohitra dia ny TIM.

 

  Anio no holaniana amin’ny alalan’ny tsanga-tànana ity lalàna ity. Io rahateo no lahadinika farany etsy Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao, izay hifarana tanteraka rahampitso zoma izao. Tsy ho sarotra amin’ny solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny IRD ny hampandany an’io. Ny etsy amin’ny antenimierandoholona kosa anefa dia nanambaran’ny filohany Atoa Rivo Rakotovao fa handray ireo antokon’olona, antoko politika, firaisamonim-pirenena,… ka hanokatra ny adihevitra mahakasika izany manomboka anio. Ho tonga eny amin’ny antenimierandoholona anio alakamisy ihany na ny zoma maraina ny lalàna mifehy ny fanoherana, izay heverina fa holanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana mora fotsiny. Mety tsy hitovy ny hevitry ny loholona izay HVM maro an’isa etsy Anosikely sy ny depiote IRD avy etsy Tsimbazaza amin’io raharaha io, raha halalinina. Tsy tongatonga ho azy ny fakan-kevitra hataon’ny loholona fa hoenti-manitsy sy mitondra soso-kevitra ao anatin’ilay tolo-dalàna mazava ho azy. Marihina rahateo fa ao anatin’ilay Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara na RMDM, dia avy amin’ny HVM no handray ny toeran’ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’Antsiranana, izany hoe mety hifanipa-kevitra Anosikely sy Tsimbazaza. Andrasana izay hiseho.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT