Lahadinika teny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana. Tsy mbola nisy ny zavatra tena tapaka.
Tsy dia nisy ny fanovana fa ny nisongadina dia naneho ny fanoherana tanteraka ny fanovana ilay lalàna 2011-013 ny depiote mpanohitra, dia ireo lany avy amin’ny TIM izany. Anio no holaniana ity lalàna ity, raha tsy misy ny fiovana. Io rahateo no lahadinika farany etsy Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao, izay hifarana tanteraka ny zoma izao. Tsy ho sarotra amin’ny solombavambahoaka lany tamin’ny anaran’ny IRD ny hampandany an’io. Ny etsy amin’ny antenimierandoholona kosa anefa dia nanambaran’ny filohany Atoa Rivo Rakotovao fa hanomboka handray ireo antokon’olona, antoko politika, firaisamonim-pirenena,… ka hanokatra ny adihevitra mahakasika izany manomboka anio. Ho tonga eny amin’ny antenimierandoholona rahampitso alakamisy na ny zoma maraina ny lalàna mifehy ny fanoherana, izay heverina fa holanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana. Mety hifanipaka ny hevitry ny loholona izay HVM maro an’isa etsy Tsimbazaza sy ny depiote IRD avy etsy Tsimbazaza amin’io raharaha io, raha halalinina. Marihina fa ao anatin’ilay Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara na RMDM, dia avy amin’ny HVM no handray ny toeran’ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’Antsiranana, izany hoe mety hifanipa-kevitra Anosikely sy Tsimbazaza. Andrasana izay hiseho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.