Politique

Lalàna mifehy ny fifidianana Nanara-drenirano fotsiny ny senatera


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Nitranga ny efa nampoizina. Lany tsy nasiam-panovana teny amin`ny Antenimierandoholona omaly ireo volavolan-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana. Loholona 53 no nanaiky ary iray monja no nandà. Tsy nisy ny fanovana na fanitsiana nataon’ny senatera fa nijanona amin’ilay endriny nandanian’ny Antenimierampirenena azy ihany.

Tsy atao mahagaga intsony ity politika avo lenta nataon`ny HVM ity.  Ny aina efa kely manoloana ny fitondrana ary efa tondroin'ny olona molotra amin'ny asa rehetra izay atao, dia mbola ny fisarahana ho fasika ihany no mahamaika ny sasany. Milaza fa tsy matahotra fifidianana ny antokon`ny fitondrana kanefa tany amin`ny fandrafetana lalàm-pifidianana dia nahitana sy nahatsapana ny famelezana izay heverina fa manakantsakana. Raha nisy mantsy ny fanitsiana nataon`ny senatera dia miverina eny anivon`ny Antenimieram-pirenena novakiana fanintelony kanefa ankehitriny dia mitodika any amin`ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ny sainy ny Malagasy. Ahiana hiteraka krizy vaovao raha toa ka hankatoavin`ny HCC ireo volavolan-dalàna ireo. Mety hitera-doza mialoha ny datim-pifidianana koa mandritra an`izany ary tsy ny hisiany aorian’ny fifidianana indrindra amin’ny fanambarana ny vokatra, raha io volavolan-dalàm-pifidianana io no hampiharina. Maro ny fifidianana efa nolalovan’ny firenena saingy tsy mbola nisy toy ity karakarain’ny fitondrana tarihan’ny HVM ity. Tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitry ny HCC nefa izany akory tsy misakana ny handinihana azy. Hatramin’izay fotoana nitsanganany izay ny HCC dia niandany hatrany tamin’ny fitondrana na dia rariny loatra aza raha tsy fankatoavana no mety ho nateraky ny fanapahan-kevitra noraisiny. Marihana anefa fa efa nitsipaka ny lalàna mikasika an`ny ZES na ``Zone Economique Speciale`` ny HCC koa antenaina ny fahendrena sy ny hasin`ity Andrimpanjakana mpahay lalàna ity amin`ny hoavin`i Madagasikara.

 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT