Lany tao anatin’ny kolikoly sy ny savorovoro ny volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana.
Nandeha ny gidragidra isan-karazany tao an-dapa ary nampidirina hatramin’ny mpitandro ny filaminana mihitsy nanamaro isa, izay vao mainka nampiakatra ny maripana. Tsy nisalasala rahateo ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM sy ny MAPAR ary ny tsy miankina naneho fa nisy ny kolikoly goavana ka nitondra sorabaventy mirakitra ny soratra hoe “Aok’izay ny kolikoly”. «Tsy lapan'ny demokrasia intsony ety fa lasa lapan'ny kolikoly ... Hametraka fitoriana izahay satria manana ny porofo rehetra», hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Miparitaka rahateo ny horonantsary ahitana depiote lehilahy maromaro miaraka amina volabe ao anaty “chambre”, ary arahina teny ratsy variraraka ny resaka nifaovany. Anisan’ireny ny depiote JE, BU, AR,… izay akaiky ny fitondrana. Raha ny resaka mandeha moa, dia notambazana volabe ireo solombavambahoaka manohana ny fitondrana, izay efa hatramin’ny alarobia 28 martsa no nikononkonon-javatra teny amin’ny hotely Paon d’Or Antanetibe Ivato, ary naharitra andro maromaro mihitsy. Raha ny feo niely dia nomena 10 tapitrisa ariary ny andron’ny zoma 30 martsa, 10 tapitrisa ariary ny sabotsy na ny alahady teo. 40 tapitrisa ariary kosa no re fa nozaraina ny alatsinain’ny paska. Nahatratra 60 tapitrisa ariary izany ny volabe voalaza fa nividianana sy nanambazana ny solombavambahoaka, araka io resaka mivoaka io. Raha atao ny kajikajy tsotsotra, mananika hatrany amin’ny 4 740 000 000 Ar no mety ho vola natontona tamin’ny fanambazana ireo solombavambahoaka. Tsy hay na fifanandrifian-javatra ihany fa somary nisy olana ny banky teto an-drenivohitra nialoha ny fety satria maro amin’ny mpiasa mandray ny karamany amin’ny alalan’ny banky no re fa tsy afaka nisitraka izany. Mety nalaina nanambazana ny depiote ve ny vola ? Noho io resaka kolikoly io moa, dia hitory any amin’ny Bianco ireo solombavambahoaka tsy mankasitraka ny amboletra. Natolotra sy naseho tamin'ny Lehiben'ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy ny fitoriana nialoha ny any amin’ny Bianco, ka nanasonia izany ity farany.
Fanilikilihana sy fanavakavahana
Azo hangalaram-bato ireo lalàna ireo no tsy hitondra fitoniana ho an’ny firenena efa potika ity, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Manaotao foana satria maika hanilika olona, hoy izy. Ohatra tsy mitombina sy tsy lojika ny lalàna fifidianana filoham-pirenena notazominy ny Bulletin n°2 kanefa anatin'ny lalàna fifidianana depiote nesoriny dia nosoloiny Bulletin n°3. Amin’ny fifidianana filoham-pirenena notazominy ny fandoavan-ketra amin’ny fotoana tsy voafetra fa amin’ny fifidianana depiote dia noferany 3 taona. Fifidianana filoha notazominy ny antoko politika na vondron’antoko politika no afaka mandrotsaka kandida. Notazoniny ny fanohanan’ny olom-boafidy 150, kanefa ny lalàna fifidianana depiote nesoriny ny fankatoavan’ny olom-boafidy 10, dia nampiany fa afaka milatsaka ny tsy miankina. Ireo fanitsiana tena lehibe, dia nesoriny daholo raha ny fanazavan’io depiote io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.