Politique

Lalàna mifehy ny fifidianana Holaniana anio etsy amin`ny Antenimierandoholona


  • Talata 10 Aprily 2018

Rehefa avy nandalo sy nasiam-panitsiana tamin’ny asam-baomiera ireo volavolan-dalàna mikasika ny rafitra sy fepetra mifehy ny fifidianana nanomboka ny sabotsy lasa teo dia hodinihina sy holaniana eo anivon`ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona anio talata 10 aprily 2018.

 

 Raha hanaovana jery todika ny firafitry ny Antenimierandoholona dia ny senatera HVM no maro an`isa. Miisa 63 izy ireo ka ny 34 dia senatera HVM miampy ireo 17 voatendry. Ny 12 ambiny kosa dia avy amin`ireo antoko mpanohitra sy antoko tsy miankina. Ireo antoko mpanohitra moa dia manana solontena 5 monja. Ny tena marina 4 satria ny loholona Lylison de Rolland dia tsy mbola eto an-toerana.  Efa hita taratra hatrizay fa nitady ny paikady rehetra hahazoana toerana betsaka izay ho mpifidy vaventy amin'ny fifidianana ny senatera ny antoko akaiky ny fitondrana, ny Hery Vaovao ho an'i Madagasikara ka tonga amin`ny tanjona niriany izy ireo. Atoa Rivo Rakotovao raha nandray ny toerana maha filohan`ny Antenimierandoholona azy dia nilaza fa hamerina ny hasin`ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Handinika tsara ireo volavolan-dalàna ireo ve ny senatera ? Handroso fanitsiana ve sa tonga dia hanarak’efa an’ireo depiote HVM ? Ahiana hankany amin`ny ratsy hatrany ny toe-draharaha. Ny solombavambahoaka moa nitaky ny anjarany tamin`ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana ka mety hizotra amin`izay koa ve ny senatera ? Marihana fa ny loholona anefa dia mitana toerana ngeza be eo amin`ny firenena. Tsy misy tompon`ny ampitso saingy tsy mahagaga raha lany ireo volavolan-dalàna ireo satria ity fitondrana ity no tena tompon`ny tetika politika maloto sy  « politika avo lenta ». Raha tany amin’ny firenen-kafa no nisy tranga toy izao dia tsy vita mora. Efa iaraha-mahalala tokoa ny tsy fitiavan’ny Malagasy, mba tsy ilazana ny fankahalan’ny maro ny mpitondra ary toa potehina ankitsirano ny Malagasy ankehitriny ary ny fitondrana HVM no manatanteraka izany. Miankina betsaka amin’ireon mpahay lalàna sy ny HCC ny ho avin’i Madagasikara, ny fanomanana ny isan’andron’ny maro an’isa mitrongy vao homana noho ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny isam-baravarana.


Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT