Hisy fivoriana manokana avy hatrany eny amin`ny Antenimieram-pirenena ka ny lahadinika dia ny hanitsiana ny lalàna n°2011-013 natao tamin’ny 9 septambra 2011 izay mifehy ny satan’ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra.
Na dia nisy aza ny fanamarihana roa nataon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), lalàna efa nekeny io ka tokony ho azo hampiharina ; tokony ho ny didy fampiharana sisa avoaka dia mihatra, saingy izao re fa mbola misy zavatra hokitihana izao indray.. Nanamarika ny fitondrana Rajaonarimampianina, nandritra ny 5 taona nijoroany, ny tsy fisian’ny mpanohitra ofisialy teo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Voalaza ao amin`ny lalàmpanorenan`ny Repoblika faha-IV fa ny antoko manana depiote ao amin’ny Antenimieram-pirenena ary manambara amin’ny fomba ofisialy eny anivon’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana an’izay maha mpanohitra azy izay. Mijoro ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’izao fitondran’i Andry Rajoelina izao satria efa nametraka ny taratasy araka ny tondroin’ny lalàna manambara ny maha mpanohitra ny fitondrana azy. Marihana fa tamin`ny andron`ny tetezamita no nandaniana io lalàna n°2011-013 io. Ka inona indray izany no tokony hanitsiana azy eo anivon`ny Antenimieram-pirenena ? Sa kosa ilay lehiben`ny mpanohitra no tena adihevitra ? Andrasan’ny mpanara-baovao moa io olona hapetraky ny antoko TIM eo amin’ny toeran’ny lehiben’ny fanoherana io. Tsara tsiahivina fa tsy voatery ho solombavambahoaka ny lehiben’ny fanoherana fa azon’ny antoko TIM hatao tsara ny manendry olona tsy ao amin’ny parlemanta. Avy hatrany kosa anefa dia manana ny sata mitovy amin’ny solombavambahoaka izay ho lehiben’ny fanoherana satria ho lasa filoha lefitra fahafito eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Tsy vitsy ireo mihevitra fa mety ny filoha nasionalin`ny antoko, Marc Ravalomanana, no hipetraka eo amin’izany toerana izany ka mety noho izay ve no tsy maintsy hikitihana na hanitsiana ilay lalàna ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.