Politique

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Na ireo antoko  mpanohitra 21 nivondrona ao amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM) sy parlemantera TIM nametraka an’i Marc Ravalomanana ho Lehiben’ny mpanohitra na ireo antoko vitsivitsy hafa milaza ho mpanohitra ka nanolo-kevitra tetsy Tsimbazaza dia samy manakiana io lalàna io. Ireto farany, dia misy ny milaza fa tsy noraharahiana ny tolo-dalàna natolony ary ny tetsy amin’ny antenimierandoholona no niantso sy nanokatra adihevitra fa tsy tahaka ireo depiote IRD tetsy Tsimbazaza. Ny RMDM sy ireo depiote TIM dia mitaky tsy misy fepetra ny fampiharana ilay lalàna 2011-013, ary toa mizotra amin’izany ihany koa ireo hafa milaza fa mpanohitra. Kajy politika maloto, amboletra, didy jadona,… no hanasokajian’ny an-daniny ilay « lalàna  Brunelle », izay toa zary lasa fasan’ny demokrasia sy ny fahalalahana ho an’ny fanoherana. Mihevitra ve ny fitondrana fa hahomby ny fangejana hampanjakana hevitra sy loko tokana toa mizotra mankany amin’ny fanjakana tsy refesi-mandidy ? Zary voizin’ny depiote mpomba ny fitondrana ny hoe nahoana i Marc Ravalomanana no hoekena ho Lehiben’ny mpanohitra sy haka ny toerana filoha lefitra fahafito eny amin’ny antenimieram-pirenena kanefa tsy depiote akory ? Hikipiana ny lalàna natao sy ny lojika politika niainga tamin’ny fifidianana kanefa Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny tetezamita ihany. Ao hitarina amina adihevitra hafa, raha samy hifampitsongoloka ny an-daniny sy ny an-kilany hoe : i Andry Rajoelina tsy miaramila ka nahoana no filoha farantampon’ny foloalindahy ? Tsy mpitsara kanefa filohan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara ? Aiza ho aiza amin’izany ny fisaraham-pahefana ? Lalàna io na mamaritra izany ary lalàna koa no mametraka an-dRavalomanana ho Lehiben’ny mpanohitra, saingy tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra. Hisy moa ny fifanatrehana mivantana eo amin’Atoa Alain Andriamiseza (RMDM) sy Atoa Brunelle Razafitsiandraofa anio zoma ao amin'ny fahitalavitra TVM mandritra ny fandaharana Kao-dalina ka ho hita eo ny tohiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT