Politique

Lalàm-pifidianana tsy asiana resaka Nokianin’ny KMF-CNOE mafy


  • Zoma 05 Mey 2023

Tao anatin’ny fanambarany Lah. 06/Fanambarana/ Mai/ 2023/KMF-CNOE/ navoakany omaly 04 may no nilazan’ny

Firaisamonim-pirenena KMF-CNOE Fanabeazana olompirenena fa voaporofo fa tsy misy finiavana politika eto Madagasikara. Isan’ny notsipihiny ny fisokafan’ny fivoriana ara-potoan'ny Parlemanta Malagasy, kanefa tsy tafiditra anatin'ny lahadiniky ny fivoriana ny fanitsiana ny lalàna 2018-008, mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka eto Madagasikara. Midika izany fa hiverina sy hiampy ireo lesoka tsikaritra ka nanolorana soso-kevitra nandritra ny fikarakarakana ny fifidianana farany teto Madagasikara, hoy ity fanambarana ity. Porofo izany, hoy izy ireo, fa tsy vonona hisokatra sy hifampihaino ny ampahana mpanao politika Malagasy fa samy mijery ny tombontsoany manokana. Na dia izany, nilaza ho tsy manaiky ny fikitihana izany lalàna izany raha hifototra amin'ny hevitr'olon-tokana na ankolafy na firehana manokana ny fikambanana KMF/CNOE. Naneho fa rehefa tsy sahy ihany na tsy te hihaino ny hevitry ny olompirenena dia aleo kokoa mampihatra izay misy eo. Fototra mahamafy orina ny demokrasia sy ny fampandraisana andraikitry ny olompirenena ary ny fampandrosoana azo antoka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Niarahaba ny mpisehatra amin'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety noho ny andron'ny 03 mey ihany koa moa ny fikambanana KMF/CNOE, ary nampahatsiahy fa antoky ny firindran'ny raharaham-pifidianana ny fahalalahanareo koa miara-sarotiny aminareo ny amin'izany ny fikambanana. Somary sesilany ny fanambaran’io Fikambanana io tato ho ato satria vao ny tapaky ny aprily teo no nilaza izy ireeo, fa misy ny fanararaotana ataon’ny mpitondra, ka mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika, kanefa ny hafa sakanana. “Natao ho an’ny rehetra fa tsy hijerena tavan’olona ny lalàna, ary mihatra amin’ny olom-pirenena rehetra. Mitaky ny fanajana ny fenitra demokratika sy ny fanajana sy zon’ny Malagasy iray manontolo izay iantoan’ny lalàmpanorenena io firaisamonim-pirenena”, hoy izy ireo tamin’izany. Nahitsy ny KMF/CNOE nilaza fa misy ny fanararaotana ataon’ny fitondrana, ary nilaza tamin’izany fa tokony kabary mampiseho firaisan-kiana sy maha iray ny vahoaka fa tsy kabary fanindrahindrana na fitaomana sahady ny mpifidy amin’ny antokon’ny fitondrana.
(Tahirin-tsary)
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT