Lalaina Ratsirahonana

“Tokony hirosoana aloha ny fampihavanana”


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Mino izahay, hoy ny antoko politika Fihavanantsika, fa andeha soamantsara anaty fahamarinana sy mangarahara tanteraka ny fifidianana ,

raha nametraka ny antotan-taratasim-pirotsahan-kofidian’ny kandida ho filoham-pirenen’izy ireo, Lalaina Ratsirahonana, teny amin’ny HCC Ambohidahy omaly. Maha maika, hoy ity kandida ity, dia ny hoe ahoana no hanafoanana ireo zavatra mampahory ny malagasy? Isany ny fahefa-mividy, ny fandriampahalemana, ny fampiroboroboana ny indostria malagasy. Atao daholo izay hanatsarana ny rafitra ahafahan’ny malagasy mivoatra an-kalalahana ary manana fahalalahana koa amin’ny fanehoan-kevitra sy ny atao rehetra. Matoky ny fitsarana izahay. Ny firaisankinan’ny Kristianina no nitadiavana ny anto-bola fa teo koa ireo resy lahatra amin’ny vinan’ny antoko. Niandry ny vokatry ny fihaonambe notarihin’ny FFKM izahay vao nanapa-kevitra ny ho ety rehefa nahita fa handeha ny fifidianana. Miantso ny tenako hoe tokony hirosoana ny fampihavanana sy fampiraisana ny malagasy mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena. Ny fitiavan’i Kristy no nanosika anay hirotsaka satria tianay ny vahoaka malagasy hiaina ny fiadanan’i Kristy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT