Lahatra Andriamahatsangy

«Tsy maintsy avy amin’ny mpanohitra no ilain’Antananarivo!»


  • Zoma 11 Oktobra 2024

Raha resaka olona no ho resahana mialohan’ny resaka praograma momba an’Antananarivo

amin’izao fiatrehana ny fifidianana ho ben’ny tanàna izao, hoy ny mpanao politika, Lahatra Andriamahatsangy, dia tsy maintsy avy amin’ny mpanohitra aloha izao no olona ilain’Antananarivo! Tsy maintsy avy amin’izay mpanohitra izay, hoy izy, no safidin’Antananarivo, raha ben’ny tanàna no resahintsika. Raha resaka praograma indray dia samy manana ny azy fa ny efa hita sy efa nahavita ihany koa nefa aloha no azo heverina fa hahavita hanatontosa izay praograman’asa hanarina an’Antananarivo izay. Voaresaka matetika ny hoe asana mpanatanteraka ny asana ben’ny tanàna. Tsy ilaina izany aloha ny olona tsy mbola nitantana. Na refa nitantana ny resaka ara-bola io izany na efa nitantana olona, izany hoe olona manana traikefa amin’ny resaka fitantanana no ilaina. Ny tetikasa miainga eto izay mifarana any amin’ny taona 2028 any dia ilàna fahaizana fiaraha-miasa amin’izao fotoana izao. Izay no mila mitantana eo, mba tsy ilazàna hoe olona efa nitantana orinasa na nitantana olona. Raha mbola tsy nitantana olona ianao dia sarotsarotra ho anao ny mitantana an’Antananarivo. Ny fifidianana farany teo no nahitàna fa misafidy ny mpanohitra i Antananarivo. Fantatra hatramin’izay fa maditra vahoaka i Antananarivo. Manohitra izay mitondra eo foana izy rehefa fifidianana, mba tsy hiresahako ny resaka hoe fanonganana sy fihetsiketsehana isan-karazany. 7 mianadahy ny kandida eto fa ny ilaina farany koa dia hoe mahay miara-miasa amin’ny rehetra. Izaho tsy miteny hoe mahay miara-miasa amin’ny fanjakàna fa ilay rehetra resahana dia hoe na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany. Eo ny karàna, eo ny mpandraharaha maro isan-karazany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT