Lahatra Andriamahatsangy

“Miandry izay ho avoakan’ny zoma ny etamazaoro politika!”


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Hisy ny tatitra ho an’ny vahoaka ho ataon’ireo kandida miisa 11 etsy amin’ny lapan’ny

fanatanjahantena Mahamasina ny zoma izao, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Lahatra Andriamahatsangy. Ireo fivoriana samihafa niarahana tamin’ny sehatra iraisampirenena sy vondrona na fiarahamonim-pirenena samihafa izany no ho taterina aho, hoy izy. Amin’ny herinandro ambony, raha ny tokony ho izy, no hanomboka ny fampielezan-kevitra. Efa eto an-tanindrazana koa ny filoham-pirenena teo aloha. Hita ny tsy fahazotoany loatra nanatrika fihaonana raha nasain’ny FFKM. Miandry izay ho avoakan’ny amin’ny zoma ny etamazaoro politika rehetra! Raha ny tokony ho izy tsy misy kandida tokony hivoaka ny firenena intsony satria efa anaty vanim-potoanan’ny fifidianana isika fa ilay kandida iray moa izany nandeha nody. Mandalo izy no eto Madagasikara izany raha ny adihevitra mipetraka amin’izao fotoana izao. Tsy misy afa-tsy fifidianana moa na izany aza no azo amahana izao zava-misy izao. Ny fifanarahana politika tokana azo atao dia ny fanovana ny HCC sy CENI. Rehefa voavaha fa tsy hiandany ireo hikirakira fifidianana ireo dia amin’izay no azo atao hoe voavaha ny olana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT