Lahatra Andriamahatsangy

«Ho ataon’ny olona angaredona ny fitondrana»


  • Talata 12 Martsa 2024

Mety misy tokoa ny fandrebirebena saim-bahoaka na «diversion» f

a misy koa anefa no tena zava-misy tanatin’ireo zava-nitranga ankehitriny, hoy ny mpanao politika, Lahatra Andriamahatsangy. Zavatra iray ihany, hoy izy, no tiako ho resahina ao anatin’izay fandrebirebena saim-bahoaka izay dia misy ny atao hoe taom-baovao malagasy sy ilay hira malaza tamin’iny faran’ny herinandro iny. Miara-miainga ireo zavatra ireo, raha ny fahitako azy, ary nampiarahana satria misy dikany be izany hoe miakanjo fotsy daholo ireo mpihira dia novaina amin’izay mampety azy ilay hira. Tapitra moa ilay «Buzz» fa raha ny mikasika raharaham-pirenena dia manana 2 herinandro izany ireo manam-paniriana hirotsaka ho kandida amin’ity fifidianana hoavy ity. Efa samy miomana amin’izany ny etamazaoro politika samihafa. Iaraha-mahalala fa ho ataon’ny olona angaredona ny fitondrana amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity. Inoana fa misy tahotra ao amin’ny fitondrana satria hitambatra daholo, amin’ny ankapobeny, ireo manohitra ny fitondrana ary hiezaka mafy ry zareo hanao «diversion», araka ny efa voalaza teo. Maninona moa no mbola tsy tratra hatramin’izao ilay biby? Tonga any Taolagnaro io, any Ambositra, ato Antananarivo, na aiza nefa, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT