Lahatra Andriamahatsangy

«Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana»


  • Zoma 17 Mey 2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Lahatra Andriamahatsangy. Azo lazaina ho toy izany koa, hoy izy, ireo ataontsika hoe kandidam-panjakana. Iarahantsika mahalala ireny mitondra T Shirt maro karazana ireny. Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna ao anatin’ilay izy. Tsy sahy miteny ny mpanao politika na koa miteny fa tsy misy miraharaha. Ny vahoaka sisa izany no heverina fa afaka manome sazy enjana ireny mpanao politika mihoa-pefy ireny. Hitantsika izao ireny fa mpitondra fanjakana no manao fitetezam-paritra hoe tsy hijanona raha tsy any amin’ny fiafaran’ny fampielezankevitra. Tsy azo atao izany raha jerena ny lalàna saingy ilay lalàna moa dia ahodin-drizalahy foana satria mitaraina foana ny ankabeazan’ny olompirenena sy mpanao politika saingy tsy misy miraharaha. Manana fomba miisa 2 azo hanasaziana an’ireny izany izao ny vahoaka. Ny voalohany dia amin’ny alalan’ny fifidianana. Azony atao tsara ny manao latsabato manasazy na «vote sanction». Azontsika atao tsara koa ny manaraka ny voka-pifidianana satria fifidianana manakaiky vahoaka io. Tsy voatery hoe hifidy an’i Rakoto na Rabe fa rehefa manova izao zava-misy izao fotsiny dia izay no zava-dehibe. Azo arahana akaiky amin’ity satria isaky ny distrika raha toa ka sarotsarotra kokoa ny nanaraka azy teo noho izany ho nanerana an’i Madagasikara. Teo nisy fokontany tsy voara-maso ary nisy fokontany tsy misy akory na «fictif» aza. Manerana an’i Madagasikara ny fifidianana depiote saingy isaky ny distrika. Ety aminay izao fokontany miisa 24, ohatra, no mandrafitra ilay distrika dia 24 izany no afaka sahanina. Tokony ho fantatra daholo ny isan’ny vato isaky ny biraom-pifidianana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT