Ankoatra ny fanabeazana ho olom-pirenena mahazatra azy dia anisan’ny nodinihan’ny mpikambana ANAWI sy ny mpikatroka Kung Fu manerana an’i Madagasikara tao anatin’ny Zaikabe nasionalin’izy ireo notanterahina teto Antananarivo ny 5 sy 6 novambra ny mahakasika ny raharaha politika eto Madagasikara.
Fehin-kevitra 7 no nivoaka tamin’izany ka nofintinin’ny Me Avoko tamin’ny teny fohy hoe : vonona ny hitarika vahoaka hamerina ny hasina sy fiandrianan’i Madagasikara izahay raha sanatria mbola samy hifandrirotra amin’izay hitiavany azy an’ilay tondrozotra fa tsy hanaraka izay voalaza marina ao ireo mpanao politika na ankolafy iza na ankolafy iza na vondrona avy aiza, satria efa mahatsiaro reraka ny vahoaka Malagasy. Miangavy azy ireo ny ANAWI sy Kung Fu, araka izany, mba hijery akaiky ny fahasahiranam-bahoaka ka hampitovy hevitra ny fijery an’io tondrozotra io.
Vahoaka ao anatin’ny vahoaka ny mpikambana ANAWI sy ny mpikatroka Kung Fu ka marary, mahatsiaro fangirifiriana toy ny mahazo ny Malagasy toa azy : fahasahiranana, fahatahorana, tsy finoana ny hoavy hamiratra intsony. Mafy dia mafy izany ary ho sarotra ny hanarina azy. Vonona koa anefa hirotsaka sy handray an-tanana ny raharaham-pirenena amin’ny fifidianana rehetra ho avy ary hanara-maso akaiky ny fizotry ny fifidianana ka tsy hanaiky mihitsy ny fisian’ny hala-bato sy ny kazarany. Tsy avela ho tantely afa-drakotra ny harentsika. Tokony handraisana fepetra henjana ny fitrandrahana ny harentsika. Mampiteny ny moana sy mankarary fo ny fahantrana iainan’ny vahoaka Malagasy tsy maintsy hampiana ary fanampiana maharitra hahatonga azy ireo harisika hamokatra sy hatoky tena. Mikaikaika noho ny tsy fandriampahalemana misy an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra ny vahoaka tao anatin’izay telo taona farany izay.
Nomarihan’ny Me Avoko fa ny anton’izao krizy sy ny fahantrana miantraika amin’ny Malagasy izao dia noho ny tsy fanekentsika ny fitantanana sy ny fahendren’Andriamanitra. Ny hoavy mamiratry ny firenena no tanjon’ny ANAWI ka tsy manohana ankolafy izatsy na izaroa izy.
Tsetsatsetsa tsy aritra no hanamarihana fa niavaka tamin’ireo vahiny nasaina manokana tamin’ny famaranana ity Zaikabe ity omaly ary nandray fitenenana nankahery ny Kung Fu namany sy ANAWI handray andraikitra amin’izay noho izao fangirifirian’ny vahoaka izao Atoa Ramamonjisoa Isaac izay nanamarika fa elaela tsy hita tamin’ny haino aman-jery izy noho ny antony maro samihafa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.