Herinandro izay no niandraikitra ny toerana maha praiminisitra azy Atoa Omer Beriziky.
Fihaonana tamin'ireo vondrona politika sy herivelona isan-karazany teto amin'ny firenena momba ny fananganana ny governemanta aloha no tena nataony. Mandeha ila ihany anefa izany satria ankolafy 2 goavana ao amin'ny mpanohitra, dia ny ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka no tsy mety miditra ao anatin'io governemanta io. Mahalala tsara ihany koa ny avy ao amin'ny ankolafy Zafy Albert fa tsy governemantan'ny firaisam-pirenena izany ny mijoro eto raha toa ka tsy miditra ao ireto ankolafy 2 ireto. Hisy ny taratasy alefa any amin'izy ireo handresena lahatra azy ireo mba hiditra ao anatin'ny governemanta.
Tsy ho ato ho ato anefa no hitrangan'izany raha ny nambaran'ireo filoha mirahalahy teo aloha no jerena. Midika ve izany fa hitarazoka ny fananganana governemanta ? Sa ve hiroso amin'ny diany ihany i Omer Beriziky sy izay efa vonona ny hiaraka aminy ? Raha izao no fandehany dia tsy hiditra ao amin'ny rafitra hafa ihany koa ny ankolafy Ravalomanana sy Ratsiraka satria tsy mankasitraka ilay fomba fiasa amin'ny fisafidianana sy fanendrena ireo olona, izay fahefan'Atoa Andry Rajoelina. Ny mpandinika ny raharaham-pirenena dia resy lahatra fa tsy hisy zava-banona eto raha tsy miverina mihaona mihitsy aloha ireo filohan'ny ankolafy 4, famahana haingana ny krizy io no sady efa dingana iray lehibe amin'ny fampihavanam-pirenena, raha ny fandinihan'ny mpanara-baovao azy.
Mazava izao ny resaka fa tsy tena nahavaha ny krizy ny fanasoniavana ny sori-dalana ary izao dia voaporofo ny hetahetan'ireo fikambanana sy vondrona ary olon-tsotra isan-karazany nilaza fa ny fihaonan'Atoa Ratsiraka, Ravalomanana, Zafy Albert ary Andry Rajoelina ihany no tena hamaha ny krizy ary raha ny tena marina dia tokony ho natao mialoha ny 17 septambra nanasoniavana ilay sori-dalana io fihaonana io. Hatramin'izay tokoa mantsy dia ny solontenan'izy efatra mirahalahy mianaka ireo foana no tena niresaka sy niady hevitra mivantana. Maro no velon'ahiahy ihany koa sao dia nisy nanao tatitra vilana izy ireo, hany ka fanapahan-kevitra sadasada no noraisin'ny lehibeny. Ny ahiahy tsy ihavanana, koa hita izao fa tsy azo ihodivirana ny fihaonan'ny filohan'ny ankolafy 4 ary tsara kokoa izany raha tanterahana eto Madagasikara, efa mandeha rahateo ny resaka fa eo am-pandinihana ny hanatanterahana io fihaonana io ny vondron'ny mpanelanelana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.